ers | 05 Novambra, 2007 20:45
Faniriana tokoa moa hiara-hankalaza ny Noely sy ny faran'ny taona anilan'ireo namana akaiky sy havana any Madagasikara.
Kanefa na dia eo àry ny elan'elan-tany, dia misy ny marika maro isan-karazany ahazoantsika miara-paly amin'ireo olona akaiky antsika am-po ireo.
Noho izany indrindra dia misy namana akaiky niara-nianatra tamiko tany Madagasikara ankehitriny manana tetik'asa mitodika amintsika Malagasy aty am-pitandranomasina sy ireo havantsika any an-toerana: DIASPO'SERV.
Amin'izao ankatoky ny faran'ny taona izao àry dia tolotra "NOELY" no karakarain'ny Diaspo'serv, ny fanazavana tsotra momba izany dia hitanao amin'ny sary eo ambany, misy ihany koa ny mailaka sy laharana an-tarobia azo angatahana fanazavana fanampiny voarakitra eo.
Raha fintinina moa izany ilay tolotra dia mofomamy ho an'olona valo, miaraka amin'ny firarian-tsoa, ary dia aterin'izy ireo any an-tokatrano tsirairay avy.
Zaraina amintsika namana moa izy ity satria inoana marimarina fa ahafaly ny mpanolotra sy ny tolorana ny ahazo ny mamy indrindra zaraina amin'ny fetin'ny Noely ary hampiombom-pifaliana tokoa na dia lavitra aza ny elan'elan-tany.
Koa dia manasa anareo namana àry amin'izany "Surprise de Noël" izany.
ers | 06 Oktobra, 2007 23:53
Tamin'ny 15 septambra 2007 teo no nanatontosana ny fanamasinana ny tokatranonay tany Madagasikara.
Nahafinaritra sy nahafapo tokoa izany ka zaraina aminareo eto ny sary.
Ho avy tsy ho ela ihany koa ny tranonkala voatokana amin'izany.
ers | 19 Novambra, 2006 19:47
Tsy tanatin'ny fety lehibe toy ny fizarana diplaoma any Madagasikara no nandraisana ny diplaoma (Master Sciences économiques et de gestion - Marketing Vente) nomanina tao amin'ny Université de Savoie.
Fa voaray avy tamin'ny alalan'ny paositra. Na izany na tsy izany, dia fifaliana lehibe ny naharay izany, eritaona taorian'ny nahavitan'ny fianarana.
Ka dia nalaina sary natao fahatsiarovana.
sary: Voromailala
ers | 07 Oktobra, 2006 21:51
Mahafinaritra ahy ny maka sary, ary mahafinaritra torak'izany ihany koa, ny mizara izany aminareo.
Naka ny sary: Voromailala
ers | 06 Jolay, 2006 09:06
Maro ny fampiasana ny blaogy : diary manokana, fizaram-baovao, sns.
Isan'ny fitaovana iray manampy tokoa ity sehatra iray ity amin'ny fitadiavana asa ankehitriny. Ny blog moovement no anisan'ny mampivelatra ity fomba iray ity.
Eo anilan'ny fandefasana CV etsy sy eroa, dia manana ny lanjany lehibe ny fampiasana ny blaogy: maro ireo efa nahita soa tamin'izany ka dia ataoko aloha satria ny soa fianatra:-)
Ankilan'izay koa dia ilaina ny fidirana amin'ny tranonkala natao hanitarana ny olom-pantatra sy ny olona ifaneraserana ("réseau professionnel"). Ireo olona ireo mantsy dia anisan'ny manampy amin'ny fitadiavana asa satria miampitampita ny CV ary dia farany dia hitan'ireo izay mitady mpiara-miasa.
Tsy misy fepetra manokana amin'ny tokony ho soratana ao anatin'ny blaogy "asa", ny ahy izao dia afaka jerenao eto
Momba ilay "réseau" noresahako tetsy ambony, dia ao ny viaduc, 6nergies, openbc. Matetika dia mila fanasàna ahafahana manokatra kaonty. Izaho izao dia ao amin'ny viaduc, koa dia manasa anareo ary hisoratra anarana. Maro ny zavatra azonao atao ao avy eo: mampitombo ny olom-pantatra, mitady ireo namana taloha, sns.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |