DIARY

Categorie: Ankapobeny

MOFOMAMIN'NY NOELY

Faniriana tokoa moa hiara-hankalaza ny Noely sy ny faran'ny taona anilan'ireo namana akaiky sy havana any Madagasikara. Kanefa na dia eo àry ny elan'elan-tany, dia misy ny marika maro isan-karazany ahazoantsika miara-paly amin'ireo olona akaiky antsika am-po ireo. Noho...

Vita soa amantsara ny mariazy: Voromailala & Ers

  Tamin'ny 15 septambra 2007 teo no nanatontosana ny fanamasinana ny tokatranonay tany Madagasikara. Nahafinaritra sy nahafapo tokoa izany ka zaraina aminareo eto ny sary . Ho avy tsy ho ela ihany koa ny tranonkala voatokana amin'izany.  Voromailala & Ers 

Azo ny diplaoma

Tsy tanatin'ny fety lehibe toy  ny fizarana diplaoma any Madagasikara no nandraisana ny diplaoma (Master Sciences économiques et de gestion - Marketing Vente) nomanina tao amin'ny Université de Savoie. Fa voaray avy tamin'ny alalan'ny paositra. Na izany na tsy izany, dia...

Sariko

Mahafinaritra ahy ny maka sary, ary mahafinaritra torak'izany ihany koa, ny mizara izany aminareo. sary ers oktobra 2006 Naka ny sary: Voromailala    

Blog manampy amin'ny fitadiavana asa

Maro ny fampiasana ny blaogy : diary manokana, fizaram-baovao, sns. Isan'ny fitaovana iray manampy tokoa ity sehatra iray ity amin'ny fitadiavana asa ankehitriny. Ny blog moovement no anisan'ny mampivelatra ity fomba iray ity. Eo anilan'ny fandefasana CV etsy sy eroa, dia manana ny...

Anio ...

Nijotso tsy nijanona ny orana anio tontolon'ny andro. Ny maraina ary dia lasa izahay nandeha namonjy fotoam-pivavahana tao amin'ny Chapelle Notre Dame de la Médaille Miraculeuse, io toerana io moa ilay nisehoan'i Masina Maria tamin'ny taona 1830. Tonga ny atoandro dia nanao sakafo...

SOS Sahel

Sendra nandeha tamin'ny fahitalavitra ity horonantsary ity ka nanaitra tokoa. Hita ao amin'ny site Internet n'ny SOS Sahel ihany moa ilay izy ka dia indro zaraina aminareo. Mampihetsi-po tokoa kanefa dia misy ireny tranga ireny ary mbola maro....

Tonga soa ers!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb