DIARY

Anio ...

ers | 25 Jiona, 2006 08:54

Nijotso tsy nijanona ny orana anio tontolon'ny andro.

Ny maraina ary dia lasa izahay nandeha namonjy fotoam-pivavahana tao amin'ny Chapelle Notre Dame de la Médaille Miraculeuse, io toerana io moa ilay nisehoan'i Masina Maria tamin'ny taona 1830.

Tonga ny atoandro dia nanao sakafo malagasy, ka dia ravitoto sy henakisoa no teo ary.

Nisy namana niantso nizara ilay fiantsoana gratos any dago (izay nampahalalain'i voromailala tao amin'ny blaogy ihany koa). Rafitra niantso teo ka dia lany ny tolak'andro manontolo. Nantsoina daholo ny fianankaviana, ny tapaka sy namana rehetra ary ny resaka indray no lany ny farany.

Mbola nisy fanampiny koa avy eo fa hay ity izy koa dia azo iantsoana mobile eto france gratos.

Maromaroa ny ohatran'io 

SOS Sahel

ers | 20 Jiona, 2006 23:33

Sendra nandeha tamin'ny fahitalavitra ity horonantsary ity ka nanaitra tokoa. Hita ao amin'ny site Internet n'ny SOS Sahel ihany moa ilay izy ka dia indro zaraina aminareo.

Mampihetsi-po tokoa kanefa dia misy ireny tranga ireny ary mbola maro.

http://www.sossahel.org/dl_bibliotheque/SOS%20Sahel.mpg

 

14 km en posiposy

ers | 10 Jiona, 2006 12:00

    Dia tapaka ary ny hevitra niaraka tamin'i Tse fa andeha ho any Antsirabe. Tonga soa aman-tsara, ka rehefa hita ny hotely hipetrahana dia lasa nankany Andranomafana. Kinanjo mihidy ny filomanosana amin'ny 11 ora, mba niangavy kely teo hoe mandalo fa tsy haharitra ela ao an-toerana nefa mba nanantena ny hilalao rano tao izahay ka nahazo alàlana ihany ny farany.

Ny ampitso dia nijery tanana, nihaona tamin'ireo mpiara-mianatra niorom-ponenana any na avy any an-toerana, nitaingin-tsoavaly, sns. Iny izahay teo amin'ny gara no nisy posy ni-insiste hoe : "Tsa mba haka sary na andende @posy anga nareo? Ho any Andranovisy na Andraikiba any?" Gaga aloha izahay ka nanontaniana tsara hoe :"Tonganao angaha any Andraikiba?"; "Eny hoy izy fa 7km io, efa zatra makany 'zay". Raikitra ary ka dia roso ny dia, tonga soa aman-tsara tany Andraikiba, ary voahatitra tany Andranovisy avy eo.

Ka 'reto misy tahirin-tsarin'ny teny andalana sy ny toerana notsidihina. Fa rehefa vita ny dià dia hita fa lavitra ilay lalana fa efa zatra tokoa angaha ny posy ka tsy nisalasala ... 14 km be izao ! 

 

 

Paysage 01Paysage 02Paysage 03Paysage 04Paysage 05Paysage 06Paysage 07Paysage 08Paysage 09Paysage 10Paysage 11Paysage 12Paysage 13Paysage 14Paysage 15Paysage 16Paysage 17Paysage 18Paysage 19Paysage 20Paysage 21Paysage 22

Andraikiba Mai 2006

ers | 10 Jiona, 2006 05:53

Nandeha niala sasatra tany an-tanindrazana  ary dia nandeha kely tany Andraikiba ka indreto zaraina aminareo ny santionan-tsary tamin'izany.

Andraikiba 01Andraikiba 02Andraikiba 03Andraikiba 04Andraikiba 05Andraikiba 06Andraikiba 07Andraikiba 08

Tonga soa ers!

ers | 08 Jiona, 2006 10:37

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
«Mialoha   1 2
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb